Fidirana ho mpikambana

This post is also available in: English Français

FIDIRANA HO MPIKAMBANA

SOKAJINA MPIKAMBANA AO AMIN’NY AATIM

Ny mpikambana ao amin’ny AATIM dia voasokajy ho karazany telo:

Mpikambana voamarina arak’asa na Certifié-Pro – Mpikambana voamarina na Certifié- Mpikambana tsotra

Filankevim-pitantanana

Ny filankevi-pitantanan’ny AATIM dia mpikambana efatra sy talen’ny mpiandraikitra mitantana ny fanatanterahana ny tanjon’ny AATIM sy ny asany.

Iza no afaka miditra ho mpikamabana ao amin’ny AATIM?

Ny maha-mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Mpandika teny Voamarina eto Madagasikara r dia tena tombontsoa ho an’ny mpandika teny rehetra miasa amin’io sehatra io.

Izay rehetra liana amin’ny asa fandikan-teny dia afaka ho mpikambana ao amin’ny AATIM.

Te hanatratra ny fanamby amin’ny fampisehoana ny talentanao amin’ny maha-mpandika teny anao ve ianao? Ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny AATIM no dingana voalohany ho amin’izany aminao noho ny fananany fahefana eo amin’ny tsenan’ny asa. Aza miandry intsony! Tongava miditra ho mpikambana ato amin’ny AATIM!

Nahoana ianao no tokony hiditra ho mpikambana?

Iray amin’ny tanjon’ny AATIM ny hanomezana anao ny fanabeazana sy loharanom-pahalalàna hihazonana anao hatrany eo amin’ny laharan’ny mpifananinana ara-toe-karena maneran-tany.

Maha-mpikambana

Tena zava-dehibe ny maha-anisan’ny fikambanana matihanina raha te ho matihanina ianao. Ny fifandraisanao amin’ny AATIM hanome lasa tsara anao eo amin’ny asa ataonao.

Ny fifandraisanao amin’ny AATIM dia fanondroana tsara amin’ny serivisinao.

Rehefa mpikambana ao amin’ny AATIM ianao dia taifiditra ihany koa amin’ny tambajotran-tserasera ahitana karazan’olona, ​​fotoana ary loharanom-pahalalana tena ilaina. Ary izany no fanombohana tsara indrindra! Mianara manomboka, mifanerasera ary mirotsahabebe kokoa!

NY TOMOBONTSOA AZONAO AMIN4NY MAHA-MPIKAMBANA

Ny tombotsoa ho azonao

  • Torolàlana momba ny varotra omen’y AATIM
  • Vaovao tselatra momba ny AATIM
  • Fahafahana hiatrika ny fanadinana hahazoana ny Fanamarinan’ny AATIM
  • Serasera ara-tsosialy
  • tambajotra arak’asa matihanina
  • Dinika momba ny raharaha ara-barotra

Fihenam-bidy amin’ny maha-mpikambana.

  • fivoriana fanaon’ny AATIM isan-taona
  • Hetsika an-tserasera na webinaires ataon’ny AATIM
  • Fitaovana fandikan-teny sy rindrambaiko hafa
  • Antoka ara-bola matihanina
  • Fiantohana ho an’ireo orinasa kely
  • zavatra vita an-tsoratra momba ny AATIM
  • Fifanakalozana eo amin’ny samy mpikambana
  • Fanadinana fampiharana ahazoana ny Fnamarinan’ny AATIM
  • Fahafahana hiatrika ny fanadinana hahazoana ny Fanamarinan’ny AATIM

Fahafahana hahita serasera ara-barotra vaovao
Amin’ny maha-mpikambana anao dia azonao atao ny manitatra ny fahafahana mitad mpanjifa vaovao sy asa vaovao amin’ny alàlan’ny fifandraisanao amin’ireo mpikambana ao amin’nyAATIM sy ny tambajotra hafa hahafahanao mifandray bebe kokoa ary mifanakalo tsikera ara-barotra. Manana fahafahana ianao hampahafantatra ny tenana amin’ny alàlan’ny dokambarotra an-tserasera mahomby miantefa amin’ireo mpajifa mitady kalitao ambony eo amin’ny resaka asa sy mitady matihanina.

Vaovao farany
Ny AATIM dia afaka mahazo fampahalalam-baovao tsy tapaka ary maharaka ny fivoaran’ny teknolojia, ka afaka manaraka ihany koa ny fiovan’ny tsenan’ny asa sy ny fiantraikany amin’ny asanao ianao; afaka mahazo soson-kevitra amin’ny fitantanana mba hampivoarana ny orinasanao ianao amin’izay.

Tombontsoa hafa
Hamafiso ny fahaizanao ary ampitomboy ny lanjanao eo amin’ny toekarena manerantany amin’ny alàlan’ny fampiofanana omen’ny AATIM, na mahazoa mari-pahaizana AATIM hanamafisana ny fitokisana omen’ny mpanjifa anao. AATIM koa dia manolotra sy mampiofana anao hanananao fahaiza-mitantana orinasa ary afaka manampy anao hihaona sy hifanerasera amin’ireo mpandika teny efa za-draharaha.

Loharanom-pahalalàna mahomby

Amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny AATIM anao dia manana fitaovana sy paikady ary fomba fiasa tsara indrindra ilaina ianao hampitomboana ny fahaizana sy fahalalanao.

Fankatoavana
Hahazo ny fankatoavana ho matihanina ianao amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa amin’ny fikambananana tokan’ny mpandika teny eto Madagasikara ary hampiseho amin’ny mety ho mpanjifa hitanao ny fahavononanao hanolotra ny tena tsara sy ara-kalitao. Vitanao izany amin’ny alàlan’ny fidirana ho mpikambana ao amin’n AATIM.

Fanamarinana

Amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny AATIM dia manan-jo hangataka hiatrika ny fanadinana rehetra ianao hahazoana mari-pahaizana AATIM.

top

 © 2021 By SPARICOM. All rights reserved.